Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-5

5 Ary hianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.

6 Koa manetre tena eo ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin'ny andro voatendriny; 7 apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa izy no miahy anareo. 8 Mahalalà onony, ary miambena; fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.

9 Tohero izy, miorena mafy amin'ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. 10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rahefa miaritra kelikely hianareo.

11 Ho azy irery anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amena. 12 Amin'ny alalan'i Silvano izay rahalahy mahatoky fantatro tsara fa ahy, no anoratako ho anareo ireo teny vitsivitsy ireo mba hilaza aminareo sy hampatoky anareo fa ny fahasoavan'Andriamanitra marina tokoa no iorenanareo.

13 Manao veloma anareo ny Eglizin'i Babilona, voafidy toy anareo, sy Marka zanako. 14 Mifampiarahabà amin'ny fifanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'ny Kristy Jesoa anie ny fiadanana. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1408